FAMPAHAFANTARAN’NY GOVERNEMANTA NY PROGRAMAN’ASA FANANTANTERAHAN NY POLITIKA ANKAPOBEN’NY FANJAKANA

Tontosa soa aman-tsara, araka ny takian’ny Lalam-panorenana ny fampahafantaran’ny Governemanta ny Programan’asa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana.

Nanatanteraka izany, tamin’ity herinandro ity, teny anivon’ireo Antenimiera roa tonta Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian.

Manana anjara lehibe amin’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena, izay Andry Faharoa voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Indro zaraina amintsika ireo teboka momba ny Fandaharan’asa amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, izay miompana indrindra amin’ny :

✅ Seha-pihariana volamena

✅ Fampiroboroboana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy

✅Asam-panjakana manakaiky vahoaka

✅Fampidirana ho matihanina ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany artizanaly

 

Source : 𝘔𝘐𝘔/𝘋𝘊𝘙𝘗 – 𝘍é𝘷𝘳𝘪𝘦𝘳 2024